Toamasina: tsy ampy roa ny milina mamokatra herinaratry ny Enelec

Hiverenana ny fifanarahan’ny Jirama sy ny orinasa Enelec satria tsy araka ny isan’ny milina nifanarahana no tena miasa, nefa andoavam-bola foana. Napetraka koa ny jiro manazava ny arabe sy ny elakela-trano any Toamasina, sy ny fampidiran-jiro ho an’ny sahirana.

Nitsidika ny orinasa Enelec, mamokatra herinaratra avy amin’ ny solika fuel ho an’ny Jirama any Toamasina, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andria­ma­nampisoa Solo sy ny tom­pon’andraikitry ny Jirama, ny 4 marsa teo.

Mihatsara ny famatsiana herinaratra any Toamasina satria niezaka ny Jirama sy ny orinasa Enelec. Nilaza anefa ny minisitra Andriama­nam­pisoa Solo, fa tsy ampy roa ny milin’ny Enelec ma­mokatra herinaratra satria 11 raha 13 ny nifanarahana. Koa, hifampidinika ny roa tonta tsy ho ela, hiverenana hanisana ireo milina tena mandeha ampiasain’ny Enelec, satria andoavan’ny Jirama vola daholo ireny.
Mangataka 15MW fanampiny ny orinasa

Nentanin’ny minisitra koa ny Enelec, hampiasa vola, entiny hampiakarany ny vokatra. Satria raha ny ao Toama-sina, mangataka tanjaka 5 MW fanampiny ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy koa orinasa mikasa hamokatra simenitra any an-toerana, ka mangataka 10 MW. « Izany hoe, efa misy mangataka 15 MW sahady. Ilaina anefa izany satria havokavok’i Mada­ga­sikara, renivohitra ara-toekarena i Toamasina », hoy ihany izy.
Nomarihiny fa tsy misy delestazy intsony any Toama­sina. Fanapahana ara-teknika no hataon’ny Jirama isaky ny zoma, satria fotoana fikapana ny hazo manelingelina ny tariby mitondra herinaratra.

Hanomboka ny « branchement mora »

Natao koa ny fametrahana ny jiro « cobra » miisa 100 ao an-tampon-tanànan’i Toama­sina, ao anatin’ilay tetikasa « Hazavao ny elakela-trano ». Nisitraka izany ny fokontany miisa dimy (Analamboanio, Ankirihiry Avaratra, Tana-ma­koa, Tanambao V ary Dépôt 4).
Nilaza koa ny minisitra, fa hanomboka amin’ny tapaky ny avrily izao ny fampidiran-jiro ho an’ny tokantrano sahirana « Branchement mora ». Tsy mila antontan-taratasy, toy ny fahazoan-dalana hanorin-trano, fa misitraka daholo rehefa misoratra any amin’ny fokontany, ary 30 m miala ny andrin-jiro ka 30.000 Ar ny sarany aloa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: