Raikitra indray ny fifanenjehana teo amin’ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro sy ny tontakely, omaly, teny Andravoahangy. Jiolahy iray mpanao sinto-mahery no tratra tamina elakela-trano iray anelanelan’ny Epi d’Or sy ny Looks Andravoahangy, taorian’ ny fanenjehana. Raha ny fanazavan’ny polisy, nisy vehivavy telo tonga nanao fitarainana tany amin’ny polisy. Nanao fisafoana teny tetezana Behoririka ireto farany. Voalaza fa tompon’antoka tamin’izany ny jiolahy telo. Voaroba ny poketra niaraka tamin’ny finday sy lelavola 1 hetsy Ar. Nametraka ny paikady rehetra mba hahafahana misambotra ireo jiolahy ny polisy taorian’ izay. Nahitam-bokany, tratra ny iray, tafaporitsaka ireo namany. Nentina nihazo ny kaomisarian’ny CSP3 avy hatrany izy hanaovana fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.
Ankoatra izay, nisy vehivavy iray naratra voatsatok’ antsy teny Anosibe Mandrangobato I, omaly alina. Toeram- pivarotana iray niharan’ny fanafihana. Naratra ity renim-pianakaviana ity rehefa tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ireo olon-dratsy. Niantso vonjy izy, nivoaka ny olona teo amin’ny manodidina nanavotra azy. Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy fa vaky nandositra.
Jean Claude