Mirongatra tanteraka ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika amin’ izao fotoana. Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina tetsy Antsonjombe, ny faran’ny herinandro teo,
fa mila hanaovana tetikady manokana izany. “Betsaka ireo sahirana sy maty vokatr’ io zava-mahadomelina mahery vaika io ankehitriny”, hoy ny filoha. Anisan’ny ahitana ny fiparitahan’ny rongony mahery vaika toy ny cocaïne sy ny heroïne eto an-dRenivohitra. Nanamafy anefa ny filoha fa efa mipaka eny amin’ny faritany io tranga io amin’izao fotoana. Anisan’ny voatonony tamin’izany ny ao Nosy Be Hell-Ville sy ny any amin’ny faritr’i Diego. « Tsy ilay zavatra fohana intsony fa tena ilay efa atsindrona mihitsy ireo tonga eto amintsika ireo », izy. Manoloana io, potika ny ankamaroan’ny tanora malagasy izay tafiditra amin’ireo karazan-java-mahadomelina ireo. Tsiahivina, vao ny herinandro lasa teo no nahatrarana teratany vahiny nitondra rongony mahery vaika tetsy Ivato. Misy hatramin’ny tomponandraikitra ambony voasaringotra noho ny fiparitahan’ireo kazarana rongony toy ilay jeneraly polisy vao naiditra am-ponja ny faran’ny volana febroary teo.
Karohina
Mbola mitohy ihany koa ny famotorana ireo teratany srilankey tratra tetsy Ivato ny 01 marsa teo. Hatreto, mbola misy ny karohina amin’ity trafikana rongony mahery vaika ity. Ao koa ireo teratany malagasy voasaringotra amin’ izany. Tsiahivina fa miisa valo ireo voasambotra sy atao andri-maso eny amin’ny polisy momba ity raharaha ity. Teratany malagasy ny roa ka vehivavy ny iray. Ity farany izay voalaza fa vadin’ilay teratany srilankey Wickramarathne Nadun Chintchaka na koa Harak Kata. Anisan’ireo lehilahy malaza amin’ny fanondranana sy trafikana zava-mahadomelina mahery vaika amina firenena samihafa ity lehilahy ity. Efa namoahana filazana fikarohana ary karohin’ny BCN Interpol mihitsy ny tenany.
Tsiferana R./Henintsoa H.