Andron’ny 8 marsa : hiseho an-tsehatra ny “Miss Maman”

Hotontosaina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolon­tsaina malagasy (IKM) Antsa­havola ny fifaninanana “Miss Maman Madagascar 2023”. Fifaninanana natokana ho an’ireo reny. Nahatratra 314 ny nandray anjara tamin’izao fifaninanana izao. Manodi­dina ny 30 izy ireo no nahatafita ny dingana fifantenana mialoha ka hiatrika ny fifaninanana hatramin’ny farany. “Comme une reine”. Io no lohahevitra hovoizina amin’io fotoana io.
Fotoana voalohany iatrehan’ny mpandray anjaran’ny “Miss Maman Madagascar 2023”, ny mpitsara voalohany ity anio ity. Mamorona fianjaika entina milatro, mifanaraka amin’ny lohahevitra hoe “Comme une reine” ny mpifaninana tsirairay avy. Tena ny mpifaninana mihitsy no ma­morona ny akanjo anaovany. Tokony hisy dikany eo amin’ny lafiny kolontsaina sy manana ny heviny avokoa ny kojakoja sy ny singa hita eny amin’ny akanjon’ny mpifaninana ary tokony ho hainy sy fantany izany. Malalaka ny mpifaninana tsirairay amin’ny famoronana ataony.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: