Anosy sy Androy : olana mbola mitohy ny tsy fahampian-drano

Olana goavana mbola mitohy hatramin’izao ny tsy fahampian-drano any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Sarobidy, vidian-dafo ny rano madio sotroina, fa ny rano hiasana ho an’ny fambolena koa manahirana ny mponina. Fandaniana lehibe ho an’ny isan-tokantrano, 1000 Ar ny rano amin’ny daba 20 L any Amboasary Atsimo. Mety tsy mijanona amin’izao io vidin-drano io fa izay sitrapon’ny mpivarotra azy. Na ny fotoana nandalo­van’ny rivodoza Freddy teo tsy nampiova zavatra.
Tsy hiadian-kevitra fa sakana ho an’ny fampandrosoana any an-toerana ny tsy fahampian-drano. Voa ny toekarena no misy fiantraikany ratsy amin’ny lafiny sosialy koa. Eo ny AES*, sampandraharaha misahana ny famatsian-drano any Atsimo, nefa lafo ho an’ny maro an’isa ihany ny rano. Na ny zavamaniry any Atsimo mifanaraka amin’ny toetr’andro. Tsy mampandeha ny fambolena katsaka, na ampemba, ohatra, ny tsy fahampian’ny orana.
Manoloana ny tsy fahampian-drano, efa betsaka ny tetikasa natao hatramin’izay niarahana tamin’ny vahiny, saingy tsy nahomby firy na tsy nahitana fahombiazana mihitsy. Efa nisy fanaovana vovo nefa rano masira no nivoaka, fanamboarana fitarihan-drano mankany amin’ny tanàna sasany nefa zara raha misy rano tonga. Tany amin’ny taona 2018, 2019 nanantena ny mponina fa ho voavaha ny olana saingy hatramin’izao.

Ndrina
AES* : Alimentation en Eau dans le Sud.

Partager sur: