Amin’izao vanim-potoana izao, maro ireo vesatra mahazo ny sain’ny tsirairay. Covid-19, tsy vitsy ireo nahazo vokatra ratsy avy tamin’io valanaretina io… Izany rehetra izany no anisan’ny hanatanterahana ny « Festival Explosion de rire ».
Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny masoivoho soisa eto Madagasikara, ireo Malagasy mpanao sary, ny teratany soisa mahay momba ny vongantsary. Vokatr’izay, hotanterahina, etsy amin’ny Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra Analakely, ny 10 marsa ka hatramin’ny 31 marsa izao, ny «Festival Explosion de rire». «Anisan’ny andrasantsika amin’io hetsika io ny hanala hamohamo ny rehetra, taorian’ny valanaretina Covid-19. Hitondrana aina vaovao indray ho an’ny tsirairay», hoy i Elia Ravelomanantsoa, talen’ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny fiarahamonina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Tafiditra ao anatin’ny «Mois de la Francophonie» ity hetsika ity ka firenena dimy no handray anjara ao anatin’ny fandaharam-potoana efa nomanina. Lehibe indrindra amin’izany ny fifaninanana momba ny sôkôla, ahitana ny solontena avy amin’i Madagasikara, Soisa, Frantsa, Belzika, ary Congo. Hamantatra ny tsiron’ny sôkôla izy ireo ka hanondro izay firenena nipoirany. Ho an’i Madagasikara, ny orinasa Chocolaterie Robert no hanolotra ny vokatra avy ao aminy.
Endrika hafa ananan’ny «Festival Explosion de rire» ihany koa ny fampirantiana. Fafana lehibe mahatratra 11, manana habe 600cm x 300cm, sy ny 1300cm x 300cm no ahitana ireo sary hitondra tsiky sy hehy ho an’ny mpitsidika. Hisy lohahevitra tsirairay (fanatanjahantena sy kolontsaina, ny natiora sy ny tontolo iainana…), mifanaraka amin’ny sary miranty eo aminy. Nomarihin’ny talen’ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny fiarahamonina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra hatrany fa «mahay mihomehy ry zareo Soisa. Na io sôkôla hanin-dry zareo io, na ny famantaranandrony, hainy sy hitany hatrany ny hihomehezana ao anatiny».
Malagasy mpahay kanto anisan’ireo mampiranty ny sanganasany etsy amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo i Sandrine Vavitsaran Catemousse, Haintsoa Sleeping, Farahaingo, Voninirina Antonia, Sese Dille, Vony Ranala, Riri, R-Aly ary i Nino Pillar. Anisan’ny mpiara-miasa amin’ireo mpikarakara ity hetsika ity kosa ny Groupe ViMa.
HaRy Razafindrakoto