Fanahiana krizy politika : miantso fikaonandoha maika ny firaisamonina sivily

Namoaka fanambarana, omaly, ireo eo anivon’ny fiarahamonina sivily. Nivoitra tamin’izany fa efa anatin’ny taom-pifidianana isika izao. Nametraka ny ahiahiny anefa izy ireo fa tsy ho azo antoka ny ho fizotr’izany.

“Manaitra ny ma­nampahefana sy ny besinimaro ny firaisamonim-pirenena mom­ba ny tokony hanatanterahana maika ny fifanakalozan-kevitra. Iaraha-mahalala fa mbola tsy afaka ao an-tsain’ny rehetra ireo tranga niseho tamin’ny taona 2013 sy 2018. Ny mety ho fiantraikany ratsy amin’ny fiarahamonina sy ny toekarena”, hoy ny fanambarana. Tokony hifameno amin’ny fikarakarana ny fifidianana ankehitriny koa anefa izany fikaonan-doha izany fa tsy sanatria hampisy fahatarana amin’ny fiatrehana ny fifidianana, araka ny fanambarana hatrany.
Notsiahivin’izy ireo fa anisan’ny mampiahiahy ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra, ny fampiasana ny haino aman-jeri-panjakana, ny fitantanana ny fotoana fanatanterahana fampielezan-kevitra, ny tsy fitanilan ‘ny Ceni sy ny HCC. Eo koa ny fitokisana ireo fampanante­nan’ny kandidà, ny mety ho fanemorana ny fifidianana kaominaly ary indrindra ny fahavitsian’ny mpifidy manao ny adidiny. Nohitsin’ny fa­nambarana fa mbola maro ireo ahiahy amin’ny fifidianana filoham-pirenena na efa natao aza ireo fampitandremana samihafa. Nakana lesona ny tranga niainana teo aloha…

Fikaonandoha hotarihin’ny FFKM
Nitaky ny hametrahana sehatra ifanakalozan-kevitra ireto fiarahamonina sivily ireto, manoloana izany. Hiasa anaty fahamarinana sy mampandray anjara ny rehetra ahafahana mamantatra miaraka ny tena olana misy sy ny vahaolana azo tanterahana ao anatin’ny fanajana ny soatoavina. Nangatahan’izy ireo ny FFKM hitarika ny fifampidinihana, noho ny fotoana efa antomotra ka hiantso ny mpanatanteraka, mpanao lalàna, mpampihatra lalàna. Eo koa ny antoko politika sy ny mpisehatra ivelan’ny fanjakana : Firaisamonim-pirenena, sendikà, seha-pamokarana tsy miankina, fikambanana ara-pinoana. Hiara-handinika ny vahaolana tsy miangatra ary handray andraikitra manoloana ireo hevitra, hivoaka mandritra io fikaonan-doha io.

Synèse R.

Tetiandro aroson’ny fiarahamonim-pirenena.

Fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo mpisehatra rehetra mandalina ny hevi-dehibe ho amin’ny fivoriana voalohany ity volana marsa ity. Famolavolana ireo fanovana hatao amin’ny lalàm-pifidianana ny volana avrily. Fametrahana izany eo anivon’ny governemanta sy ny antenimiera ny volana mey. Fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ampidirana tetibola ampy hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy kaominaly ny volana mey. Fandaniana sy famoahana ny lalàna amin’ny volana jona ary fanaovana tombana ny fandrosoan’ny fanovana (fivoriana faharoa) ny volana septambra.

Partager sur: