Fandrobana indroa nisesy : voaroba ny vola aman-tapitrisa maro

Mirongatra ny tsy fandri­ampahalemana! Notafihan’ny dahalo efa-dahy nirongo basy ny tranona mpandraharaha iray tao Morafeno, distrika Soani­e­rana Ivongo. Ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny nandrahona ny jiolahy fa nanapoaka basy ihany koa. Vokany, voatifitra teo amin’ny tongony ilay lehilahy mpandraharaha raha tsy naninona kosa ramatoa vadiny. Nandrika ny ra, tsy afa-nanohitra ny olon-dratsy izy mivady. Voaroba tamin’izay ny firavaka volamena rehetra. Tsy nijanona teo. Nanohy ny asa ratsiny tamina tokantranona mpandraharaha iray hafa koa ireto mpandroba. Lasa nandritra izany ny vola aman-tapitrisa maro. Tamin’io fotoana io, tsy nisy nivoaka ireo fokonolona tany an-toerana noho ireo mpanafika nirongo basy. “Very fanahy mbola velona ireo mponina ao an-toerana. Sambany no nisy fanafihana toy izao ao Morafeno”, hoy ny loharanom-baovao iray any an-toerana. Nambarany fa nanara-dia avy hatrany ireo fokonolona saingy tsy mbola nahitam-bokany izany. Ilay naratra kosa nalefa vonjimaika tany amin’ ny toeram-pitsaboana ary tsy atahorana ny ainy. “Efa indroa voatafika ity mpandraharaha ity. Tamin’ny taona 2019 ny voalohany tamin’izany izay nahafaty ny zanany ka izao lasibatry ny fanafihana izao indray”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa H.

Partager sur: