Fenoarivo Atsinanana : vola 6 tapitrisa Ar levon’ny afo

Nitrangana haintrano in­dray tao amin’ny fokontany Andranovola Fenoarivo Atsi­na­nana, omaly atoandro. Trano lehibe dimy feno entam-barotra niaraka tamin’ ny jirofo ary tranohazo ireto hotohoton’ny afo ireto. Voa­lazan’ny tompon-trano iray fa lelavola 6 tapitrisa Ar no lasa lavenona tsy avotra intsony. Afo niainga tamin’ny afon-kitay nandrahoana sakafo tao an-dakozia no nitarika ny afo ka tsy voafehy intsony. Nijoalajoala ny afo ka tsy nisy azo natao intsony na nanao izay ho afany aza ny mponina teo an-toerana nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo. Olana sedrain’ny mponina ao amin’ny renivohitry ny faritra Analanjirofo koa ny tsy fananan’ny kaominina fiarabe mpamonjy voina. Tsy maintsy niandry ny fiarabe mpamonjy voina avy ao Foulpointe, saingy nialoha izany, milina fampiakaran-dranon’ny BNGRC no nampiasaina. Tsy nandeha koa anefa ity milina ity ka anisan’ny nanampy trotraka ta­min’ny fahavoazana izany. Ni­fanome tanana tamin’ny fa­monoana ny afo ny mponina. Notaterina tamin’ny siny ny rano nentina namonoana ny afo.

Amina trangan-javatra toy itony, misy hatrany ireo mpanararaotra amin’ny fahavoazan’ny hafa satria nisy nangalatra ny moto sy fitaovana hafa tao amin’ilay magazay efa nirehitra.

Sajo/J.C

Partager sur: