Taorian’ny nanolorana azy teny anivon’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpangalatra jiro manazava ny arabe mihazo an’iny kaominina Fenoarivo iny, afakomaly. Nahatrarana gony iray ity lehilahy ity rehefa nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana eny an-toerana, ny zoma 3 marsa teo. Natao ny fisavana izany gony izany kinanjo jiro avokoa no tao. Natao famotorana, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro manazava ny arabe anatin’ny kaominina ireto nangonin’ity jiolahy ity ireto. Nitory azy avy hatrany ny kaominina ka natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo izy. Nidoboka am-ponja vonjimaika ity farany.
Tsiferana R.