“Tsy mbola misy lalàna manome lanja na hasina an’izay fitakian’ny mpanohitra izay. Koa tsy hita izay hampiharana azy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra hiditra
ho anisan’ny mpikamban’ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana.
Ndeha àry hoekena, ohatra, izay fitakiana izay amin’izao, antoko politika 200 sa 400 mba hananana solontena eo anivon’ny Ceni ? Tokony ho voafariparitra ao anaty lalàna ny momba an’izay. Hatramin’izao, tsy mbola misy izay lalàna izay. Koa izay efa nampiharina hatramin’izay ihany aloha no ampiharina.
Raha ny lalàna amin’izao fotoana izao, ny kandidà voalaza sy voaray ara-dalàna ny firotsahan-kofidiny no manana solontena eo anivon’ny Ceni.
Mila solontena hatrany amin’ny rafitra ifotony
Eo ihany izay solontena tsy tompon-toerana eo anivon’ny Ceni izay, satria rafitra vovonana ny eo anivon’ny Ceni foibe. Nefa hatrany am-boalohany no tokony hananan’ny tsirairay izay solontena izay any amin’ny rantsa-mangaika isan-tsokajiny. Anentanana ny tsirairay izay amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny Ceni. Firaisamonina sivily no manao an’izay, raha tsy manana olona ny antoko politika. Raha tsy manana olona ny firaisamonina sivily, samy manana olom-pirenena hanao an’izay fanaraha-maso izay. Izay ihany no alaolana hisorohana ny ahiahy tsy ihavanana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana.
Ny dingana hataon’ny Ceni ato ho ato, ny fiantsoana ny mpisehatra isan-tokony: ny antoko politika, ny firaisamonina sivily, ny tomponandraiki-panjakana… Hatao indray izay fifanakalozana sy fakan-kevitra amin’ny fanatsarana ny fanatanterahana fifidianana izay.
R. Nd.