Fifidianana ben’ny Tanàna : mitaky ny hanajana lalàna ny MMM

Nandefa taratasy fampahatsiahivana any amin’ny praiminisitra ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny febroary teo. Hentitra sy nahitsy ny fitakian’izy ireo ny amin’ny tokony hanarahana ny lalàna.
Niantso ny governemanta izy ireo hanao ny hahatomombana ny amin’ny famatsiam-bola hiatrehana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, amin’ity taona ity. Voalazan’ ny And faha-65 ao amin’ny Lalàmpanorenana ary takin’ny lalàna ny hanaovana izany. “Natao hofidiam-bahoaka anatin’ny fe-potoam-piasana mandritra ny efa-taona ny ben’ny Tanàna sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony, araka ny And faha-240 ao amin’ny lalàna 2014-020”, hoy ny taratasin’ny MMM, nosoniavin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ny depiote ary ny loholona ihany no tokony hotanterahina amin’ny daty samy hafa, araka ny And faha-51 ao amin’ny lalàna 2018-008.
Voatsiahy tamin’izany fa ny praiminisitra am-perinasa sy ny governemanta notarihiny no nanapa-kevitra ny 18 aogositra 2019 tamin’ny filankevitry ny governemanta tamin’izany fa hatao ny 27 novambra 2019 ny fifidianana eny anivon’ny kaominina.

Fanaikana ny mpifidy
Namatsy ny 83% mahery ny vola tamin’izany ny fitondrana raha ny “Basket fund” amin’ny alalan’ny tetikasa Sacem eo anivon’ny Pnud kosa no namatsy ny 16% ma­hery. Izany hoe manodidina ny 35 miliara Ar. “Efa niaiky teo imason’ny haino aman-jery ny filoha lefitry ny Ceni ny 23 febroary teo fa tokony hotontosaina amin’ity taona ity ny fifidianana eny anivon’ny kaominina”, hoy ny MMM. Araka izany, nohitsin’ny taratasin’izy ireo fa tokony hatao amin’ity taona ity izany ny fifidianana eny ifotony io. Tsy izany anefa ny zava-misy. Tsy mamaritra afa-tsy ny fifidianana filoham-pirenena iha­ny ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, amin’izao fo­toana izao, araka ny fanambaran’ny MMM hatrany.
Etsy andaniny, takin’izy ireo koa ny hirosoana amin’ny famoahana ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy, hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 9 novambra izao.

Synèse R.

Partager sur: