Ahitana fampirantina sy fifampizarana ho an’ny vehivavy mpandraharaha etsy amin’ny immeuble UPNNC Ambohitsoa, anio. Karakarain’ny fikambanana FAM (Femmes auto entrepreneures à Madagascar). Nampitondraina ny lohahevitra hoe : «cocktail de réseautage». Fotoana iray hifanakalozana traikefa sy hifanampiana ary hifanohanana eo amin’ireo vehivavy mpikambana sy ny vahiny nasaina izy io. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatr’asan’ireo vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Nosy, tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fikambanana rahateo.
Vokatra andrasana mandritra ny fihaonana, ny fametrahana fifandraisana amin’ny sehatra maro samihafa. “Hirika fanararaotra ho an’ny vehivavy mpandraharaha izy io satria afaka mifanerasera amin’ny mpiara-miombon’ antoka maro samihafa eo amin’ny sehatra nasionaly izy ireo”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana FAM, Andriamanandraibe Andrianina na Bibz Andrian.
Tsiahivina fa nisokatra tamin’ny volana Novambra lasa teo ny fikambanana. Mahatratra 40 ireo mpikambana mandrafitra azy hatramin’izao. Hanasana ireo vehivavy te hisitraka ny asa fandraharahana ny hetsika.
Mino (mpianatra asa)