Raikitra indray ny savorovoro niafara tamin’ny fifandonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona sy
ny mpitandro filaminana, omaly. Zandary roa naratra notifirin’ny mpianatra tamin’ny filesy…
Maraina hatramin’ny tolakandro indray ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatr’i Vontovorona ESPA, omaly. Naratra vokatry ny tifitra filesy nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana ny zandary roa anisan’ireo nandamina teny an-toerana. Naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fahazoany ny vatsim-pianarana anatin’ ny 4 volana ireto mpianatra ireto. Nivoaka ny vavahadin’ ny Oniversite, noho izany, izy ireo ary nanao fanakanan-dalana. Nilanja sora-baventy. Nampirehitra ny hatezeran’ireto mpianatra ireto koa ny tsy fanoloana ny “disjoncteur” may ao anatin’ny fari-pianarana. Manampy trotraka ny filazan’izy ireo fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanavaozana ataon’ny “Croua”. Nohamafisin’ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana fa mandoa ny hofan-trano hatrany izy ireo. Raikitra, araka izany, ny fifandonana teo
amin’ny mpitandro filaminana sy ireto mpianatra ireto. Nipoaka ny lakrimozenina nentina nanaparitahana ireto mpianatra nitokona ireto. Naratra vokatry ny tifitra filesy nataon’ny mpianatra ny zandary roa.
Tsiferana R.