Hetsika “Songadina” : tontosa omaly ny atrikasa “Malesa”

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny faritra Sofia. Notanterahina ny talata 7 marsa 2023, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsa­havola, ny atrikasa momba ny “Malesa”. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Songadina”, hampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritra na faritany iray. Vitsy ny olona niatrika ny atrikasa, raha oharina amin’ny nanatrika ny fanokafana ny hetsika. Tanjon’ny mpikarakara ny hampahafantatra ny Malagasy ny kolontsaina sy fomba amam-panao tsy fantatry ny Malagasy nefa misy eto.
Nampianatra sy nizara ny mahakasika ny dihy “Malesa” ny vondrona Lemasà. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny faritra Sofia. Vondron’olona sy olona mpandihy ary mpisehatra eo amin’ny dihy no nanamaro isa ny mpandray anjaran’ny atrikasa.
Hiditra amin’ny fampahafantarana faritra sy faritany hafa kosa ny mpikarakara ra­ha efa vita ny an’ny faritra So­fia sy faritanin’i Maha­janga.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: