“Izay hatrany no noresahina hatramin’izay. Misy zavatra tokony hohatsaraina ao. Misy tokony hojerena amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny fomba hanatanterahana azy, ny fangaraharana amin’ny vola… “, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, nampahatsiahy ny fihaonana teny Iavoloha, tamin’ny faran’ny herinandro, teo amin’ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Yousssouf. Ireo voalaza ireo no notenenin’ny fiombonambe iraisam-pirenena, hampisehoany indrindra koa ny fanampiany amin’ny vola, na teknika, na fitaovana.
Efa tamin’ny taona 2014 sy 2018 no nisy fandaharanasa noresahina ny amin’ny fanatanterahana fifidianana. Raha nanampy 90% ry zareo tamin’ny taona 2014; lasa 55% tamin’ny 2018. Mieritreritra ry zareo amin’izao fa any amin’ny antsasak’izany sisa no hataony, raha mifanaraka amin’ny tolokevitra narosony ny fanatanterahana ny fifidianana. Manana tamberin’andraikitra tateriny any amin’ny firenena misy azy koa izy ireo. Takina amin’izany ny fanamafisana ny demokrasia sy ny fangaraharana mba ho fifidianana hoeken’ny rehetra. Efa tsy tanteraka eto Madagasikara izany, tsy afa-kanery ry zareo. Ny mandrisika ny fanatanterahana azy no azony atao mba hanomezany fanampiana bebe kokoa ny firaisamonia sivily, ohatra. Aleo ny fanjakana hanao izay azony hatao ny amin’izany.
R. Nd.