Mankalaza ny andro maneran-tany natokana hoenti-miady ny zon’ny vehivavy isika anio. Makotrokotroka ny fankalazana, tanatin’ny andro maromaro izay, teto an-drenivohitr’i Madagasikara. Nanao angaredona ireo minisitera voakasiky ny fankalazana, indrindra fa ny entim-biavy. Tsy nahatsiaro tena ho vizaka ny vadin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fanenjehana sy fanomezam-boninahitra ny rahavaviny sy ny zanany nisolo tena ireo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Maresaka ny tanàna !
Ny tsara ho marihina, mahafinaritra sy mahavelombolo ny fientanentanana etsy sy eroa. Mihazakazaka ny lanonam-be laroina fianjaikana marevaka sy mirenty. Toa adino, fa andro natokana ho fampahatsiahivana ny ady atrehin’ny vehivavy hafa, lavitra andriana sy iharan’ny tsindry hazolena ny anio. Toa variana amin’ny endrika ivelany isika mianakavy, kanefa ny zo fototra maro, votoantin’ny andro anio betsaka no voahosihosy.
Firifiry ny adriambavilanitra, miaina anaty fahoriana sy afobe dieny ety ambonin’ny tany. Miankina amin’ny odidina sy anton-javatra saingy tokony ho jerena akaiky izany. Ampahatsiahivina, tsy ady varotra ho amin’ny fihenam-bidin’ny « maquillage », na ny vidin-kiraro sy akanjo ny anio. Andro natao hiadiana misimisy kokoa ny zo. « TOLONA » fa tsy kerimesy.
Taon-trano tsy efan’ny irery izany. Tsy vitan’ny sarinady sy ny fiolonolonana. Mila ny herivelona rehetra ny fitakiana hatao. Miainga avy any amin’ny lehilahy, izay olona akaiky ny vehivavy izany. Tsy ampy ny « resa-behivavy » fa ho anisan’ny tsara kokoa ny fijerena ny miralenta ny anio. Tsy misy olona mahavita tena rahateo, raha vao ny resaka ankohonana sy fianakaviana. Izay indrindra matetika no mahatonga ny ady hevitra diso toerana rehefa andron’ny 8 marsa tahaka izao.
Afaka mifameno fa tsy mifandrefy hery sy tanjaka, ary fahaizana sy traikefa na ny lahy na ny vavy. Tsy tokony hisy rahateo ny fahasamihafana amin’ny roa tonta, indrindra amin’ny maha olombelona. Matetika mbola manjaka ny lasitra sy ny fijery raikitapisaka eny anivon’ny fiarahamonina ka mamadika ny fitakiana ho any amin’ny tsy izy. Na izany aza , ilaina fomba fijery malalaka ny hetsika hatao mandavantaona ho fitakiana ny zo mbola tsy azo, hatramin’izao.
Fa hamaranana ny anio, ady mifameno ny an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Efa miova tanteraka ny odidina misy iainana andavanandro. Tsy mahagaga ny taona 1999, manana ny andro iraisam-pirenena natokana ho azy koa ny lehilahy. Isaky ny 19 novambra no hanamarihana izany. Nisy ny fankalazana teto Madagasikara tamin’ ny taon-dasa saingy nangingina. Mbola tsy mahazatra rahateo.
Hamehezana azy, ny lahy sy ny vavy miara-mientana no antoky ny fampandrosoana. Tsy tokony hisy intsony ny fivoizana ny fahasamihafana miainga amin’ny resa-pananahana.
r.r