Hotanterahina anio ny lalao ampahavalon-dalana miverina faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023” (LDC). Hihaona amin’ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay ny Bayern, klioba Alemà. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Allianz Arena. Hanala vela amin’ny Bayern ny PSG. Tsiahivina fa lavon’ny Bayern tamin’ny isa 1 no ho 0 ny PSG tamin’ny lalao mandroso, izay natao ny 14 febroary lasa teo, tao amin’ny Parc de Princes.
Samy manana ny lazany ny roa tonta, saingy manana tombony amin’ny isa 1 ny Bayern. Marihina fa tsy afaka milalao i Benjamin Pavard, mpilalao Bayern, noho ny karatra mena azony nandritra ny lalao mandroso.
Tsy manao i Neymar Jr
Tsy afaka milalao i Neymar Jr, mpilalao PSG, amin’ny fihaonana amin’ny Bayern anio. Tapitra tanteraka ny taom-pilalaovana 2023 ho an’i Neymar, tsy afaka hiakatra kianja mandritra ny dimy volana ny tenany. Tsiahivina fa tamin’ny fihaonan’ny PSG sy ny OGC Nice ny volana febroary lasa teo, no namparatra azy.
Hihaona amin’ny AC Milan ny Tottenham
Hifandona amin’ny AC Milan, klioba italianina ny Tottenham, klioba anglisy. Lalao hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Tottenham Hotspur Stadium. Fihaonana eo amin’ny ampahavalon-dalana miverina amin’ny fifaninanana LDC 2023. Hanala vela ny Tottenham, resin’ny AC Milan tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo nandritra ny lalao mandroso, natao ny 14 febroary lasa teo.
Fitia (Mpianatra asa)