Mahavita taona ny vokatra azo : vehivavy 43 nifehy ny teknikam-pambolena Pfumudza

Vehivavy 43 avy amin’ny faritra 23 no nisitraka fampiofanana momba ny teknikam-pambolena Pfumudza teny amin’ny CAFPA Mahitsy, niarahan’ny fikambanana Fitia sy ny ministeran’ny Fambolena sy fiompiana. Manatsara ny voka-pambolen’ireo tantsaha ary miaro ny tontolo iainana ny fampiasana ny teknika Pfumudza. Tantsaha 5 tapitrisa no efa mampiasa ity teknika ity manerana an’i Afrika. Afaka mamelona ankohonana enina mianaka, mandritra ny taona, raha manana velaran-tany 624 m2 ka manaraka ity teknika ity ny tantsaha iray. Torolalana tsotra ny teknika Pfumudza ary azo ampiharina amin’ny fambolena katsaka, vary an-tanety, legioma. Din­gana voalohany ny fampiofanana ka nisitraka izany ny vehivavy 43 avy amin’ny faritra 23. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena amin’ny sakafo sy hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo. Hanentana sy hampita ity teknikam-pambolena ity amin’ny faritra niaviany izy 43 mirahavavy satria efa niofana ho mpanofana rahateo.

Natolotra ny fiandohan’ny herinandro teo, teny amin’ny CAFPA Mahitsy, ny “certificat” 43 ary nahazo fitaovana enti-manomboka ny asa avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, koa izy ireo. Nahitana masomboly vary sy voly avotra, zezika organika, angady, sobika, fanondrahana ary tady ireo fitaovana. Mifampitohy tamin’ny fandefasana ireo tantsaha mpamokatra 30 tany Zimba­b­we farany teo ny tetikasa fampiofanana momba ny teknikam-pambolena Pfumudza.

Vonjy A.

Partager sur: