Ortana : fitetezam-bohitra eny Manjakazafy

Mitohy ny fitetezam-bohitra karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Anala­man­ga (Ortana). Eny Man­ja­ka­za­fy, ny tanàna hotsidihana, eny andrefan’ny Renivohitra, ao anatin’ny distrikan’ Ambohi­dratrimo, ny sabotsy 11 marsa ho avy izao. Manana ny tantara mampiavaka azy ity tanàna ity, natsoina hoe Marovatana tany aloha. Toerana nipoiran’ ny mpanjaka Ranavalona III, ka niova ho Manjakazafy ny anaran’ny tanàna, rehefa nampiakarina ho mpanjaka izy, izay Razafindrahety ny tena anarany.
Miala eo Alakamisy Ano­si­ala ny fiara mpitatitra hitondra ireo mpitsidi-bohitra, ary mandeha an-tongotra 9,3 km. Hisy ny fampahalalana ny fiainan’ny mponina toy ny asa vadim-boly, na fifandimbiam-piasa ny fambolena, ny asa tanana sy taozavatra samihafa.

Njaka A.

Partager sur: