Omaly maraina, tany amin’ ny 169 km andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i Freddy. 110 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 155 km isan’ora. Any an-dranomasina sy ny morontsiraky ny distrikan’i Toliara sy Betioky Atsimo no voakasik’ireo rivotra ireo mivantana. Mikisaka mianavaratra andrefana izy ka mahafaka 10 km isan’ora. Mbola ahina ho betsaka ny rotsakorana (50 ka hatramin’ y100 mm) any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Hikorontana hatrany ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo andrefana ary atsimo. Mbola manankery ny filazana loza mitatao ho an’ny distrikan’i Morombe, Toliara I-II ary Betioky. Filazana loza manambana ho an’ny distrikan’Ankazoabo, Sakaraha, Benenitra ary Ampanihy. Filazana fanairana kosa ho an’ny faritra Menabe, ny distrikan’i Beroroha.
Iangaviana tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy ka hatrany Cap Ste Marie mipaka any Vangaindrano.
Efa nidina ny haavon’i Fiherena
Nanambara ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, fa ilaina ny fahamailoana amin’ ny mety ho fiakaran’ny reniranon’i Fiherena, faritra Atsimo Andrefana noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Omaly maraina, nihena ho 2 m ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’i Fiherena ao Belalanda (tetezana). Hisy fidinana hatrany izany ao anatin’ny 24 ora ho avy. Mbola mihatra hatrany anefa ny filazana loza miloko mena amin’ireo tanàna manamorona ny reniranon’i Fiherena satria mbola ao anatin’ny maridrefin’ny filazana loza mihatra.
Vonjy