Manomboka anio alarobia 8 marsa, atsy Djibouti, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo manana solontena hiatrika izany i Madagasikara. Tsy anisan’ireo hifaninana anefa i Santatra sy i Harena, mpilalaon’ny Acacia noho tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nambaran’ny federasiona (FMTT) mantsy fa mianto-tena ireo mpilalao handeha amin’izany. Araka izany, ireo mpilalao mila ravinahitra any Frantsa avokoa no hany nantsoina hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity dia i Fabio sy i Nativel ary i Stephen eo amin’ ny lehilahy ary i Karene, ho an’ny vehivavy. Tokony hiatrika izany koa i Setra saingy tsy afaka ny tenany noho ny asany.
Mahalasa eritreritra ny rehetra ny anton’izao fiantohan-tenan’ny mpilalao izao satria firenena no arovana fa tsy klioba. Tsy tokony efa niomana mialoha ny amin’izany ve ny federasiona? Tsiahivina fa manana ny lanjany goavana ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika iray manontolo.
Hiady lohany amin’ity, ireo firenena 12 dia i Comores, Ethiopie, Erytrée, Maurice, Kenya, Ouganda, Rwanda, Somalie, Soudan Atsimo, Seychelles, Tanzanie, Djibouti. Ny 12 marsa vao hifarana ity fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika ity.
Tompondaka