Teny momba ny filohan’ny Fizafafi : niala tsiny tamin’ny filohan’ny Antenimiera i Kaleta

“Ny nivorianay tao: nilamina ny anay mianadahy, izaho sy ny filohan’ny Ante­nimierampirenena. Misy ny fifankahazoana. Nifanazava sy nifamela izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repo­blika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, ny amin’ny fihaonana teo aminy sy ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fiza­fafi, Razanamahasoa Chris­tine, teny Ivandry, afakomaly.
Ny amin’ny teniny nataony momba ny kabarin’ity farany tany Fianarantsoa, tamin’ny 25 febroary, no foto-dresaka. Miala tsiny amin’ny olona mety voatohintohina tamin’ny teniny tamin’ny 27 febroary izy. “Efa milamina ny anay, ary miala tsiny aho amin’ny olona voatohintohina tamin’izany”, hoy izy. Tsy di­sadisa ny raharaha, fa nisy ny fifankahazoana rehefa nifanazavana.

R. Nd.

Partager sur: