Vono olona tao Canada… : jiolahy iray maty voatifitry ny FIP

Lavon’ny balan’ny poli­sin’ny FIP tao amin’ny cité Canada Toamasina, afakomaly hariva, ny jiolahy iray isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana namoizana ain’ olona tao an-toerana. Nitran­gana fanafihana mitam-piadiana nahafatesana teratany vahiny iray tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Ni­ro­so tamin’ny fanadihadiana sy ny angom-baovao avy ha­trany ny polisy ka fantatra fa mihaodihaody eo amoron-dra­noma­sina Canada Toama­sina ny iray amin’ireo jiolahy. Nametraka vela-pandrika ha­­hafahana mi­sambotra ireo jiolahy ny polisy. Voamarina tokoa ny fisian’ity jiolahy ity teo amoron-dranomasina. Vao nahita ireo polisy anefa izy, nanohitra tamin’ny antsibe avy hatrany. Nanohitra hatrany izy ka voatery nitifitra azy ny polisy. Vokany, lavon’ny ba­lan’ny polisy ity jiolahy raind­ahiny ity. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa jiolahy efa mpamerin-keloka izy. Vao nivoaka ny fonjan’Amba­la­ta­vo­ahangy kanefa niverina na­no­hy ny asa ratsiny indray. Mi­tohy, araka izany, ny fikarohana ataon’ny polisy ny naman’ity jiolahy ity.

Jean Claude

Partager sur: