Hanampiana ireo vehivavy mpandraharaha malagasy hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tsena amerikanina, hanatontosa atrikasa ho an’ ireo vehivavy mpandraharaha ny eo anivon’ny American chamber of commerce in Madagascar (AMCHAM). Hanampy ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena hiditra eo amin’ny tsena amerikana izany. Hianatra ny fomba sy ny fifandraisana ilaina hampifanarahana ny paikady ara-barotry ny orinasan’izy ireo sy hanatrarana ireo mpanjifa amerikana io atrikasa io. Handalina momba ireo rafitra findramam-bola madinika sy ireo fanararaotra manokana eo amin’ny sehatry ny varotra toy ny African growth and opportunity act (AGOA) koa ireo vehivavy mpandraharaha ireo. Tantanim-behivavy ny antsasak’ ireo orinasa misehatra eo
amin’ny lafiny ara-tsakafo mpikambana ao amin’ny AMCHAM Madagasikara. Hampiroboroboana io sehatry ny fandraharahana ataon’ny vehivavy malagasy io, mamatsy vola amin’io tetikasa io ny “Power-oroviding opportunities for women’s economic rise initiative”. Tohanan’ny Sampana amerikanina misahana ny resaka varotra sy toekarena.
Tsiferana R.