Antsiraraky, Belo : zandary iray ahina ho nitifitra nahafaty mpianaka

Nisehoana tranga mampiahiahy tany Belo, ny herinandro lasa teo, ka mampitaraina ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao.
Niseho tao amin’ny tanànan’ Antsiraraky izany. Voalaza fa mpianaka, 65 taona sy 35 taona no ahina ho notifirina zandary iray, tao amin’ny borigadin’Antsoha, any amin’ny Poste Avancé an’ny zandary. Nangatahan’io zandary io vola izy mianaka ireto, ka navadik’ilay mpitandro filaminana ho dahalo izy ireo rehefa tsy nanaiky izany, ka nenjehiny ary notifirina ka maty, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao. Fomba efa fanaon’ny zandary sasany any ambanivohitra ny fakana vola tahaka izany. Eo koa ny filazana fa fandraisan’anjara amin’ny fametrahana fandriampahalemana izany. Lasa fanerena tsotra izao anefa izany sady fanararaotana, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao ihany.
Mitaraina sy miantso ny tomponandraikitry ny zandary ao amin’ny Groupement Menabe sy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenenan’ Antananarivo ireo mponina ary manantena ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: