Amin’ny maha olom-pirenena miavotra sy mivoy hatrany ny fivoarana lovain-jafy, nandefa hafatra tamin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Rtoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Izy moa dia efa minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Ary farany teo izy dia talen’ny Fiadidian’ ny Repoblika. Nametra-pialana tamin’ny fomba mihaja tamin’io toerana io izy talohan’ ny nihazoany any ivelany, nanaraka fitsaboana. Voatendry ho minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy izy, nandritra ny fanavaozana ny governemanta Praiministra Ntsay Christian, ny 29 janoary 2020. Lasa talen’ ny kabinetran’ny Repoblika indray ny taona 2022.
Tamin’ny hafany, nisaotra ireo vehivavy nialoha lalana nitolona ho an’ny zon’ny vehivavy izy. “Tohizana ny ady ho an’ny fanabeazana ny ankizivavy, ampitomboina ny fandraisan’andraikitra ho an’ny fitovian-jo, hamafisina ny firaisankina, atambatra ny hery”, hoy izy. Aminy, ampinga ny fahavitan-tena, ary tsy manavaka fa manambatra ny miralenta. Nanentana ny hijoroan’ny ampela rahavaviny izy, sady nirary ny fitahian-janahary ho an’ny taninjanaka hatrany.
Ankoatra ny maha renim-pianakaviana azy, manana mari-pahaizana maro amina lalam-piofanana samihafa i Baomiavotse Vahinala. Anisan’izany ny eo amin’ny lafiny fikajiana ny tontolo iainana. Anisan’ny lohalaharana tamin’ ny ady amin’ny zon’ny vehivavy sy ny ankizivavy tokoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, indrindra tamin’izy nitana andraikitra ambony teo amin’ny fitondrana. Mbola tsy voahaja mantsy ny zon’ny vehivavy, raha ny eto Madagasikara manokana no asian-teny.
Lin (Mpianatra asa)