Nivoaka ny didy fampisamborana an’i Mahaleojaona Fanomezantsoa na koa i Fano. Lehilahy voatondro ho anisan’ireo mpaka an-keriny sy mitazona ireo takalonaina telo mianadahy tao Morarano Chrome. Ankehitriny, karohin’ny mpitandro filaminana fatratra ity lehilahy ity, noho izy voarohirohy tamin’iny asan-jiolahy iny. Ankoatra izay, mbola voasaringotra amina raharaha fikambanan-jiolahy sy fanodinkodinam-bola ary fanararaotam-pahefana i Fanomezantsoa. Toerana nahitana farany azy tao Ambaiboho, Morarano Chrome. Araka izany, mampahafantatra ny besinimaro ny mpitandro filaminana mba hisambotra an’ity lehilahy ity. Na koa hampandre haingana ny “Groupe d’appui de la police judiciaire” ao Alaotra Mangoro amin’ny laharana 034 83 446 80.
Ankoatra io, nirefodrefotra ihany koa ny basy tao amin’ny kaominina Tanambe, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Olona telo hafa indray no lavon’ny mpitandro filaminana. Voalaza ho anisan’ireo tafiditra amin’ny raharaha fakana an-keriny ireo maty ireo. Tsy nahazoana vaovao mahakasika izay anefa ny mpitandro filamianana ao an-toerana. Hatreto, mitotaly 11 ny olona maty voatifitra voasaringotra tamin’ity tragana fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo Morarano Chrome ity.
Henintsoa H.