“Mihoatra amin’ny anjara asany sy fahefany ny HCDDED. Tsy azy ny manao an’izany, na mandeha any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) aza izy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, afakomaly, momba ny fangatahan’ny depiote 23 tamin’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) ny hampiatoana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany ka nandefasana izany tany amin’ ny HCC.
Tsy any amin’ny HCC no tokony handefasana an’izany, fa any amin’ny Fitsarana avo (HCJ). Ny HCJ no miteny ny amin’izany, araka ny fanazavany. Tsy fahefan’ny HCC ny milaza ny fampiatoana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany, fa fahefan’ny HCJ. Tsy ho tonga amin’izay kendreny ny fangatahan’ny HCDDED.
Malagasy ny filohan’ny Repoblika
Tsy ny And. 42 ihany no tokony hambara fa jerena koa ny And. 45 amin’ny lalàna mifehy ny fizakana zom-pirenena, araka ny nambarany ny amin’ ny fanalana sy ny tsy fahazoan’ ny filohan’ny Repoblika hirotsa-kofidina intsony noho ny fizakana zom-pirenena roa. Milaza io andinin-dalàna io fa miainga amin’ny fangatahan’ izay mizaka azy ny fahaverezan’ny zom-pirenena ary mahazo ny fankatoavan’ny governemanta malagasy amin’ ny alalan’ny didim-panjakana. Nodisoiny avy hatrany izay hoe fanalana sy fanakanana ny filohan’ny Repoblika ho tsy mahazo mirotsa-kofidina izay. Malagasy izy ary Malagasy ray, Malagasy reny.
Tsy mbola misy fitsipaham-pitokisana izao
“Hisy fitsipaham-pitokisana ny governemanta ve amin’ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena ho avy eo? Tsy tompon’ny rahampitso isika”, hoy izy. Nefa tsy misy mieritreritra izany fitsipaham-pitokisana izany aloha amin’ izao. Miankina amin’ny fahaiza-mifandray amin’ireo solombavambahoaka koa izay. “Afa-miteny aho izao fa tsy ao anatin’ny lahadinika amin’ny fivoriana ny fitsipaham-pitokisana”, hoy ihany izy.
R. Nd.