Hotanterahina afaka roa volana any Israel, ny lalao sakana hahazoan’ny Ankoay vehivavy tapakila, hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety 3×3. Ekipa 6 no hifaninana amin’izany ka nozaraina vondrona roa. Ao amin’ny vondrona A miaraka amin’i Repoblika Tchèque sy i Aostralia no vondrona misy an’i Madagasikara. I Israel, i Suisse ary i Colombie kosa ny vondrona B. Maozatra avokoa ireo ekipa 5 hifaninana amin’ny ekipa malagasy ireo, saingy efa eo andalam-panomanana izy 4 mirahavavy mandrafitra ny ekipa nasionaly, hahitana an’i Sydie, i Chine, i Muriel ary i Christiane. Efa iray volana izay no nikotrana mafy izy ireo ary tena manantena vokatra tsara. Araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana, izay ekipa 3 mendrika amin’ireo ekipa 6 ireo no hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety 3×3, hatao any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny 4 jiona ho avy izao. Ny 6 sy 7 mey kosa ny hanaovana ity lalao fifanintsanana hatrehan’izy 4 mirahavavy ity. Tsiahivina fa efa tafakatra hiatrika ity “Mondial 3×3” ity ny Ankoay lehilahy, izay voahosotra ho tompondakan’i Afrika, tamin’ny desambra 2022.
Mi.Raz