Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny lahateniny, tetsy Mahamasisna, omaly tamin’ny fanamarihana manetriketrika ny 8 marsa, ny fanomezana hasina sy andraikitra ny vehivavy. Nisy ny toromarika nomeny tamin’izany.
Nambaran’ny filoha tamin’izany fa miharitra ny mafy ny vehivavy. Manasitrana rehefa marary, nitaiza sy nanabe, nitantana… Nisaorany manokana izy ireo amin’ny anaran’ny lehilahy sy ny zanaka. Ianareo no loharano nipoiran’ny olom-pirenena sady fanantenana ho an’ny firenana, araka ny nambarany. “Mila mandray andraikitra sy tohanana amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny adidy aman’andraikitra eto amin’ny firenena ianareo”, hoy izy. Nanteriny fa mendrika hankalazaina ny 8 marsa. Nisaorany manokana ireo niampita lakana sy nandeha an-tongotra ary nanavatsava lohasaha ka tonga soa tao Mahamasina. Notsindriny fa niavaka ny fanamarihana izany manerana ny Nosy, indrindra ny teto Antananarivo. Nankalazaina tamin’ny fomba kanto sy meva ary manetriketrika izany. Hita taratra amin’ny fomba fitafy sy ny dihy. Teo koa ny tsiky ka nandona ny fo sy mamelona ny aina, araka ny nambaran’ny filoha hatrany.
Notsiahiviny tamin’izany fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny zanak’ olombelona ny vehivavy. Tsy takatry ny saina ny andraikitra sahanin’izy ireo. Eo amin’ ny fiainana andavanandro sy eo anivon’ny tokantrano.
Hanao ny raharaha rehetra ny lehilahy…
Nentaniny ny lehilahy rehetra mba hanaja ny vehivavy. “Aoka tsy hanilika azy ireo. Mba tsy hatao fankalazana fotsiny ihany ny anio”, hoy izy. Nanome baiko ny tenany avy eo fa tokony hanao ny raharaha rehetra ao an-tokatrano ny lehilahy, anio (omaly) sy amin’ny sabotsy ho avy izao. Matetika odiana tsy hita sy tsy ankasitrahana ny vehivavy ary miharitra ny mafy ka rariny raha ankalazaina izany, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa tena raitra sy nirindra avokoa ny fandaminana rehetra ny hetsika sy ny seho tetsy Mahamasina. Ny diabe na karazana matso nataon’ireo vehivavy, naneho ny kolontsainy avy amin’ny faritra niaviany. Niavaka ny seho an-tsehatra nataon’ireo andriambavilanitra sy ny haingo ary ny ravaka samihafa teny an-toerana.
Synèse R.