Misy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Tombanana 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ny fitaterana, araka ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Fatiantoka 0,34 % amin’ny harinkarena faobe.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena ihany, ny Renivohitr’i Madagasikara laharana faha-134 amin’ireo 150 tanàn-dehibe indrindra. Misy ampahan-dalana tsy afaka fitohanana, mandany fotoana sy mamono antoka tanteraka ; ampahan-dalana sasany mitohana lava mandritra ny ora fandehanana miasa. Efa fiainan’olona eto Antananarivo ny fitohanan’ny fifamoivoizana, afa-tsy andro alahady sy andro fety, mba misy antenaina.
Fototry ny olana amin’izany ny rivotra maloto miteraka tsy fahasalaman’ny mponina. Mihamafy hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo, raha ny hita isan’andro, mandritra ny taona. Anjaran’ny mpitondra fiarakodia ny misafidy ny lalany, fa eo koa ny fanamboarana ny fifamoivoizana amin’ny lalana sasany.
Ndrina