Noho ny fisian’ny fotoam-pitsarana amin’ny fanombohan’ny raharaham-pitsarana, taona 2023, eto amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, ho an’ny firaketan-draharaha : tsy misy ny fandraisana olona anio sy rahampitso, araka ny nambaran’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, teny Anosy, afakomaly.
Ao anatin’izany ny fitsarana ambaratonga voalohany rehetra eto Antananarivo: Antsirabe, Ambatolampy, Miarinarivo, Arivonimamo, An-kazobe, Tsiroanomandidy. Eo koa ny fitsarana momba ny kaonty sy ny fitsarana amin’ ny ady amin’ny fanjakana ary ny tendrom-pitsarana momba ny kolikoly (Pac).
Mba hahazoan’izay manana raharaha eny anivon’ny fitsarana ny fampahafantrana an’ izay. Noho izany, iangaviany izy ireo hanatona ny tomponandraikitra amin’ny raharaham-pitsarana momba azy avy mba hijery ny daty hanemorana ny fotoam-pitsarana tokony handeha amin’ireo andro ireo. Na izany aza, misokatra fa tsy mandray olona ireo biraon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo.
R. Nd.