Fiverenan’i Freddy : tafakatra 10 ireo olona namoy ny ainy

Mahatratra 10 ireo olona maty teto amin’ny Nosy noho ny fiverenan’i Freddy, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza (Bngrc), omaly. Iray tao Bekily. Roa avy ao Ampanihy Andrefana.  3 tao Morombe ary 4 tao Toliara II. Mahatratra 3 ireo olona tsy hita popoka hatramin’ny fotoana nanoratanay. Nahitana fiakarana ireo tahan’ny olona traboina. Mahatratra 72 351 izy ireo manerana ny Nosy. 16 524 ireo nafindra toerana, notsinjaraina ao amin’ny faritra miisa 5. Mba hialana amin’ny loza mety hisy. Avy ao Atsimo Andrefana, An­droy, Amoron’i Mania, Ihorombe ary Menabe, izy ireo. Manodidina ny 24 358 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana. 16 367 amin’izy ireo nafindra amin’ny toerana voatokana miisa 36 samy hafa. Nafindra any amin’ny fianakaviana kosa ny 7991 ambiny amin’izy ireo. Maherin’ny 5 938 ireo fotodrafitrasa tondraky ny rano eto amin’ny Nosy. Manodidina ny 6459 ny fotodrafitrasa simba tanteraka.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: