Mbola lavitry ny afo…ny kitay 

Naresaka ery ny tanàna omaly ! Nahoraka ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 8 marsa. Nifanindran-dalana tamin’izany, nitohy sy mbola feno olona, niteraka fitohanana ny tsenan’Ala­robia eny Andravoahangy. Ny omaly tsy miova ny fiainana andavanandro. Tsy mahagaga rahateo izany, maro ny vehivavy nafarana avy any amin’ny faritra, nentina niara-nifety tetsy amin’ ny kianja Barea Mahamasina. Voasolotena avokoa ny faritra 23 sy ny seha-pihariana ary ny deparatemantam-panjakana isan-karazany. Nahafinaritra ny nahita ilay firaisankina sy fifanka­tiavana misy.
Nifanindran-dalana tamin’izay anefa, indrokely, toa fandoto iray tandroka. Tsy miova ny fomba fanaon’ny mpanao politika. Samy mba naniry ny hanao fety daholo, saingy tratran’ny sakan­tsakana ny an’ireo vehivavy Tim. Tongan’ny mpitandro filami­nana vao maraina ny teny amin’ny « Kianjan’ny finoana », Beho­ririka, ao anatin’ny Magro an’ny Filoha teo aloha, Ravaloma­nana Marc. Na inona na inona antony, fahafahana fototra ny maneho hevitra, indrindra raha tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka izany.
Samy tompon’andraikitra feno anefa ny rehetra. Andaniny ny mpikarakara ity hetsika ity. Toa misary filam-baniny sy fanao­vana antsojay. Efa nisy ny hetsika teo aloha voatery nafindra teny amin’ny foiben’ny antoko eny Bel’air. Ilay fifampiarahabana tratry ny taona, voasakana teo Behoririka ihany. Raha ny lojika tsotra, tsy tokony hisy fankalazana roa samy hafa, hifanindran-dalana izany kosa teto an-drenivohitra ! Teto no ivon’ny fanka­lazana ho an’i Madagasikara.
Ankilany, ny avy amin’ny fitondrana. Raha tena mivoy firai­sankina sy fiaraha-mientana marina. Mba nisy nanan-kevitra ny nandefa fanasana ho an’ny vehivavy avy amin’ny antoko politika na fikambanana hafa manohitra fitondrana ve ? Sarotra ny inoana fa nisy nanan-kevitra tamin’izany. Ny vehivavy samy tandapa aza efa mifanipaka an-toerana toa valala an-karona. Ahoana no mbola hanome hasina ny heverina ho «  fahavalo »? Fahavalo politika mazava ho azy.
Sarotra be ny miresaka ilay izy, satria iaraha-miaina ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena amin’ny tontolo politika, ankehitriny. Aleo rahateo samy maka ho azy tahaka izao, toy izay hifampihatsaravelatsihy fotsiny ka hifampivandravandra eny an-kianja. Na izany aza, izay rindrina izay mihitsy no mila ravana. Ahoana no ahafahana miady, mitaky zavatra ho an’ny tombon-tsoa iombonan’ny vehivavy raha samy hifamely fantsy sy miandry kendry tohina fotsiny eto ?
Raha fehezina, mbola lavitra ny ezaka raha ho an’ny vehivavy malagasy. Iaraha-mahita ny aretina mikiky toa ny fialonana sy fifaminganana ary ilay ory hava-manana eo amin’ny samy ampela. Porofo mivaingana ny isan’ny viavy mpitondra. Raha manana fahasahiana hanamaro isa ny Filoham-pirenena, ireo manangy nahazo seza sy fahefana indray no manakaratoka varava­rana. Matetika ireto farany no manao izay fomba tsy ahatafi­diran’ny hafa.
Ho ela vao ho tratra ny miralenta eto Madagasikara. Resabe ny ankoatra izay!

r.r

Partager sur: