Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mihahenjana hatrany ny fifanandrinana politika. Aiza ho aiza amin’izany ny vahoaka? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Ny vahoaka no tokony hahazo tombontsoa amin’ny asan’ny mpitondra na ny mpanohitra” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao?
I Namearison Robert (-): Lasa iadiana ny famonjena traboina fa efa akaiky ny fifidianana. Miharihary ny fivangongoam-pahefana, fa ny fanjakana foibe hatrany no manapa-kevitra ny amin’ izany. Anjarany ny famonjena traboina, fa tsy mahazo mitsabaka ny hafa. Mifandray amin’ny politika izay. Marefo koa ny vahoaka: tsy maharaka fa ny fanjakana no miantoka ny famonjena traboina, nefa manao resaka politika amin’izany. Somary manahirana amin’ny raharaham-pirenena izay.
Tsy misy afa-tsy ny fitsinjaram-pahefana no vahao-lana. Izay no manome fahefana ny eny ifotony. Tsy misy fitsinjaram-pahefana matotra fa endrika ivelany, ohatra, ny fanorenana fotodrafitrasa. Marina fa nampiakarina ny fanampiana ny kaominina: ampy ve? Raha misy fitsinjaram-pahefana eny anivon’ny kaominina, ohatra: alefa eny ny vola, ny fitaovana, teknisianina… Nefa tsy misy izany. Ny rafitra fototra no tafapetraka, fa mbola tetezamita hatramin’izao. Fandikan-dalàna ny fametrahana lehiben’ny faritra atao governora. Misy fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena ny fitsinjaram-pahefana. Nefa izay no olana eto amintsika.
* Ny ifandraisan’izay amin’ny politika?
– Ny fomba fanaovana politika mbola fitantanana ny toerana misy ny tena: manao izay hampaharitra azy eo
amin’ny fitondrana izay mahazo izany; izay tsy mahazo, manao izay tsy hahamarin-toerana ny fitondrana. Tsy manakorontana fitondrana ange ny anjara toeran’ny mpanohitra, fa manolotra sosokevitra tsaratsara kokoa no ho ny an’ny fitondrana. Manatanteraka fampandrosoana tsaratsara kokoa ny anjaran’ ny fitondrana.
Ny vahoaka no tokony hahazo tombontsoa amin’ny asan’ny mpitondra na ny mpanohitra. Ankoatra izany, mangina mba tsy hilazana hoe mandefitra ny manampahaizana. Matoa miteny izy, nahazo toerana politika izay. Nefa tsy ny maha manampahaizana azy intsony no mivohitra amin’izay, fa ny fiarovan-tseza amin’ny maha mpanao politika azy.
* Ahoana kosa ny amin’ ny fiatrehana fifidianana?
– Any amin’ny tanàn-dehibe matetika no tena misy ny tsy fahatongavana mifidy. Amin’ ny 9 ora na 10 ora maraina, efa mifidy ny 100% any ambanivohitra. Fifidianana ahatsiarovan-tena ho tomponandraikitra ve izay? Olana amin’ny fifidianana… Raha ny firaisamonina sivily malagasy, ohatra, mbola ao anatin’ny hoe miady ho lohany: mifamoritra sy tsy mifampihaino an-toerana. Porofon’izany, misy fanambaran’ny firaisamonina sivily maromaro miantso ny FFKM hitarika fifanakalozan-kevitra. Mahatsapa ny firaisamonina sivily fa misy zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena, nefa tsy mijoro hiantsoroka andraikitra fa miantso sehatra hafa. Tena vahaolana ve ny hoe miantso ny zanany ny FFKM? Manaiky ho zanany ve ny fiangonana taty aoriana, ny silamo, ny mpifikitra amin’ny fomban-drazana…? Ampahafirin’ny Malagasy no zanany? Iza no maro an’isa, ny kristianina FFKM sa tsia? Mbola fanontaniana mila valiny avokoa izany.
Nangonin’i R. Nd.