Niteraka fitohanana nandritra ny ora maro ny fisiana kamiaobe iray tafahitsoka teo amin’ny tetezan’Anosizato Andrefana, omaly maraina. Tratran’ny olana teknika ilay fiarabe ka nitsivalana teo ambony tetezana. Tsy afa-nandeha ny fiara hafa na ny mizotra hihazo ny lalana mankany Ampitatafika na ireo handeha hiakatra aty an-drenivohitra.
Nifanjevo tao anaty tetezana ny mpandeha an-tongotra sy ny mpandeha bisikileta satria voatery nolanjaina mihitsy ireo bisikileta. Teo koa ireo niampita nandeha lakana tao ambany tetezana. Noho ny havesatry ny lakana anefa dia rendrika tao anaty rano koa ireo mpandeha. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy fa avotra soa aman-tsara ireo olona nilentika tao anaty rano. Misy hatrany anefa ireo manararaotra amina trangan-javatra toy izao satria maro ireo nitaraina ho voaendaka sy very finday nandritra ity fifampisisihana teo ambony tetezana ity. Nisy lehilahy iray koa very bisikileta, nisy nisintona teny aminy ilay bisikileta nolanjainy. Nanao izay ho afany hatrany anefa ny polisy sy ny zandary nandamina ireo olona marobe nifamezivezy. Efa tamin’ny 12 ora antoandro vao afaka teo ilay kamiaobe ary niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana.
Jean Claude