Niharan-doza tampoka, maty vokatry ny faharendrehan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy tao anaty rano ny lehiben’ny Distrika ao Ivohibe, omaly.
Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiakaran’ny rano ny lehiben’ny Distrikan’Ivohibe, teo amin’ ny RN27, omaly. Tra-doza teo amin’ny tetezan’i Manarahiky, izay mirefy 600 m, 5 km miala ny kaominina Analavoka ny fiara tsy mataho-dalana nitondra io lehiben’ny Distrika io sy ny mpiara-miasa aminy. “Mbola sendra ny rano niakatra be io fiara io tamin’ny fandalovany teo amin’ny tetezana tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro”, hoy ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra ao Ihosy. Niisa sivy ireo olona tao anatin’ny fiara ka hita io omaly io ihany ny valo. Tsy tana anefa ny ain-dramatoa lehiben’ny Distrikan’Ivohibe. Ankoatra io lehiben’ny Distrika namoy ny ainy io, olona iray hafa koa mbola karohina hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, io omaly io. Araka ny loharanom-baovao, fito ireo naratra ka efa manaraka fitsaboana. Avy tao Ihosy, nikasa hihazo an’Ivohibe hamonjy ny Andron’ny vehivavy ity lehibena distrika ity izao tra-doza izao.
Tsiferana R.