Omaly 8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ». Nankalaza izany ihany koa ny teto Madagasikara. Tsy nanaotao foana ry zareo vahiny nametraka ireny karazana andro hankalazaina ireny fa misy antony ao !
Tangorom-behivavy tetsy, fihaonan’ny vehivavy teroa… Samy nanana ny endrika nanehoany ny fankalazana ny 8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy », omaly. Ho an’ny Malagasy manokana, nahitana fiovana maro ny fahafantarana sy fiheverana izany antsoina hoe vehivavy izany, noho ny antony samy hafa. Iray amin’ireny ny vanim-potoana nidiran’ny vahiny teto Madagasikara ka hatramin’izao fotoana diavin’ny firenena izao.
Fahiny, raha mbola tsy nahatafidiran’ny vahiny hevitra sy fanabeazana maro avy any amin-dry zareo ny fiarahamonina malagasy, ny vehivavy no tompon’ny tokantrano. Loharanon’ny taranaka. Miantsoroka ny fanabeazana ny taranany ho tonga olom-banona. Nohajain’ny zanaka sy nolalaim-bady.
Tafiditra ny vahiny, nanomboka namotika ireo lamina voajanahary ireo no nimasoan’izy ireo. Ilay vehivavy malagasy mpanabe sy mpitaiza, nolazainy fa ambin-javatra manoloana ny lehilahy mandeha miasa ivelan’ny trano. Nampiadiany amin’ny lehilahy ny vehivavy. Nomeny anarana « fanaka malemy », « kofehy manara-panjaitra », sns, ny vehivavy.
Raha mbola tsara taizan’ ny reny ao an-tokantrano ny zanany, ho sarotra ho an’ny vahiny ny hamotika ny Malagasy sy ny momba azy. Noho izany, nataony izay hivoahan’ny vehivavy ny trano hanampy ny lehilahy, hono. « Mitovy zo ny lahy sy ny vavy », « efa mafy ny fiainana, noho izany, mila mifanampy amin’ny lehilahy ny vehivavy », « ny vitan’ny lehilahy, vitan’ny vehivavy ihany koa »… Nipoitra avokoa ireo tsingevan-kevitra samihafa ! Vao mainka nihamafy ny fifanoherana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ny zanaka sy ny reny. Niharatsy taiza hatrany hatrany ny taranaka malagasy satria tsy mahavita ny adidy aman’andraikiny intsony ny vehivavy.
… « Difotra ao anaty fahantrana ny Malagasy, noho izany, tsy tokony hiteraka maro intsony. Zaza iray na roa, dia ampy ho an’ny tokantrano iray », hoy ny vahiny. Mitombina tokoa raha ny endrika ivelany. Saingy, rehefa savaina ifotony, tetika hoentin’ny mpanjanaka hahavitsy ny taranaka malagasy izy io mba hanamora ny hambaboana sy hamenoan-dry zareo ny velaran-tany midadasik’i Madagasikara…
Tetika maty paika. Zohin-kevitra toa tsy azo hialana, ny paipaika napetraky ny mpanjanaka. Mifampitohy rahateo ny fomba hampiharany azy eto Madagasikara (… Mitovy zo ny lahy sy ny vavy… Olona mahantra, noho izany, tsy tokony hiteraka maro, sns). Voky lainga ny vehivavy malagasy !
HaRy Razafindrakoto