Maty voatifitry ny zandarimaria avy ao Antsohihy, omaly, Rabeny ilay malaso nampitondra faisana ny mponina ao amin’ny kaominina Ankerika distrikan’Antsohihy. Nokarohina efa ho herintaona mahery ity olon-dratsy ka hita nihaodihaody tao amin’ny fokontany Antafiandakana izy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona. Raikitra ny fifanjevoana tokony ho tamin’ny 2 ora maraina teo. Vokany, lavo teny amin’ireo ala honko manamorona ny reniranon’ i Tsinjomorona ny lehilahy. Tsy zoviana amin’ ireo mpiara-monina any an-toerana ity malaso ity. Anatina tambazotran-dahalo mpandrava omby izy. Mpiara-dia aminy koa i Flavien na koa i Lefilany, izay maty voatifitry ny zandary tamin’ny taon-dasa tany Antonibe, distrikan’ Analalava. Fanta-daza amin’ ireo asa ratsiny i Rabeny, indrindra ao amin’ny kaominina Anahidrano sy Ankerika, distrikan’Antsohihy sy Ambarijeby atsimo, distrikan’Analalava. Ankoatra izay, mbola anatina tambazotran-jiolahy mpanakan-dalana koa izy. Eny amin’ny lalam-pirenena fahaenina, amin’ireo lalan-dratsy eo anelanelan’Anahidrano sy Ambalafaminty, no fanaovany ny asa ratsiny, raha ny fanazavan’ny zandary. Tsiahivina fa voatonona tao anatin’ireo jiolahy nanafika fiara mpitatitra, ny volana desambra 2021, Rabeny.
Tamin’io fotoana io, nandroba vola manodidina ny 1 tapitrisa Ar izy sy ireo namany. Potika ny fiara ary naratra ny mpamily. Voasambotra sy mifonja taorian’izay ireo namany telo nahavanon-doza. Tsy hita popoka kosa ity dahalo nifampitadiavana ity raha tsy izao lavo izao.
Henintsoa Hani