Manatsara ny tsangambato fahatsiarovana ireo malagasy niady tamin’ireo ady lehibe roa eny amin’ny farihin’Anosy ny Ofisy nasionalin’ny mpiady tranainy (ONMAC), tarihin’ny Jly Raharijaona Faly Michel. Fiaraha-miasa amin’ny sampandraharahan’ny fiarovana eo anivon’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izany. Ao anatin’izay fiaraha-miasa izay koa ny fanomezana fiahiana ireo mpiady tranainy fony mbola fahavelony izay marihina fa tsy misy intsony ankehitriny. Ny asa atao ankehitriny, fameloma-maso ny tantara amin’ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa mirakitra izany. Manana trano fampirantina mirakitra ny tantaran’ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy tamin’ireo ady ireo ihany koa ny ONMAC. Vinan’ity rantsa-mangaikan’ny minisitera ity ny hamadihana ity trano fampirantina ity ho tranom-bakoka. Efa miomana amin’ny dingana rehetra hanatanterahana izany izy ireo ankehitriny. Manasa sy miantso ireo sekoly miankina na tsy miankina maniry hitsidika ny tranom-bakoka ny tompnandraikitra.
Jean Claude