Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpifanandrina voalohany amin’ny Makis i Kenya

Araka izay efa nambaran’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby, hatao eto Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 “Can 2023”. Hotontosaina ny 18 ka hatramin’ny 29 mey ho avy izao, izany fihaonana izany. Tsia­hivina fa firenena efatra no hiady lohany amin’izany dia ny Makis de Madagascar mpampiantrano, i Afrika Atsimo, i Cameroun ary i Kenya.

Raha ny fandaharam-po­toana, hidona voalohany amin’ ny Makis ry zareo Kenyanina. Ekipa tsy vaovao amin’ny Malagasy raha i Kenya satria efa resiny nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona ,natao tany Nairobi, ny taona 2021. Hifandimby hihaona ireo ekipa 4 ireo ka ho tompondaka izay manana isa be­tsaka indrindra. Manana herijika handrombahana izany ny Makis, araka ny nambaran-dRandriamihaja Alain, mpanazatra noho izy ireo hilalao eto amin’ny taniny. Firenena efa mifankahalala tsara amin’ ny tovovavy malagasy ihany koa ireo hifanandrina aminy ireo.

Hanana ny lanjany lehibe ity fifaninanana ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny vondrona “B” izay voalohany, amin’io. Ankoatra izay, handeha hanao ny “Women’s XV”, fifaninanana vaovao karakarain’ny World rugby.

Efa ao anatin’ny fanomanantena amin’ity “Can 2023” ity ny Makis de Madagascar, izay efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona. Amin’ izao fotoana izao, in-telo isan-kerinandro ny fanazarantena, tontosaina eny amn’ny kianja Makis Andohatapenaka.

Tompondaka

Partager sur: