Taona 2022 : nitombo hatrany ny vary nafarana

Nitombo ny vary nafarana tamin’ny 2022 raha ampita­hana tamin’ny 2021. Taona 2022 no nahitana vary nafa­rana be indrindra, 632 125 t, araka ny tarehimarika nomen’ ny Trade Map. Volana nifandimby, marsa sy avrily tamin’ ny taon-dasa, ohatra, nanantombo 35 % ny vary nafarana tamin’ny volana avrily teo am-piandrasana ny taom-pijinjana 2022, araka ny fanamarihan’ny ODR*.
Eo anelanelan’ny 3,5 tapitrisa t sy 4,5 tapitrisa t ny voka-bary eto Madagasikara. Mi­dika izany fa mitohy ny tsy fahampian’ny vokatra. Voa­tery firenena mpanafatra vary hatrany i Madagasikara. Telo taona nifanesy farany, nitombo ihany izany, ary amin’ity taona 2023 ity, azo antoka fa hitombo hatrany izany.
Eo ny fanafarana vary, fa tsy afa-po amin’i Madagasi­kara ireo firenena mpanon­drana vary. Niakatra ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena rehefa tsy betsaka ny vokatra tany Thaïlande ta­min’ny fotoam-piotazana faharoa.
Nambaran’ny ODR fa ni­tondra fatiantoka ho an’ireo mpamboly ny vidin’ny vary akotry, 1404 ariary, izany hoe nihena 145 ariary. Midika koa fa misy amin’ireo mpandra­hara mpanafatra vary manao izay mahakivy ny mpamokatra eto an-toerana. Ny fanjakana rahateo manafatra ny ampahany ilaina ho an’ny vary Mora sy vary Tsinjo, hi­tazomana ny vidiny hilaha­ran’ny mpanjifa sasany eny amin’ny fokontany.
Mila politika matotra ny famokaram-bary eto Madaga­sikara, amin’ny faritra rehetra. Tokony mifameno amin’izany ny asan’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana ; minisiteran’ny Indostria, va-rotra sy fanjifana ; minisite­ran’ny Toekarena sy ny vola.

Ndrina
ODR* : Observatoire
du riz

Partager sur: