“Misy ny fanontaniana hoe: misy fifidianana ve amin’ity taona ity? Betsaka ny manontany hoe: ahoana ihany ny fifidianana, handeha ve, ampy ve ny vola hanaovan azy… ? Misy miteny hoe hisy ny tetezamita, na izao na izatsy. Misahotakotaka ny politika”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, teny Faravohitra, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.
Tsy mbola fotoana ny amin’ny firotsahan-kofidina na tsia izao. Nangataka ny firotsahany ny antoko, saingy mbola misy ny zavatra tsy maintsy hojerena. Betsaka ny adidy aman’andraikitra. Tsy moramora ny mitondra firenena. Ny fahafantarany ny firenena be loatra no tsy maintsy misy zavatra jerena alohan’ny irosoana amin’izany, fa tsy hoe mampisalasala, araka ny nambarany.
Tsy hanohana kandidà ny Arema
“Tsy hanohana kandidà ny Arema”. hoy izy. Satria 47 taona amin’ny 19 marsa ho avy izao ny antoko. Hankalazaina amin’ny fomba manetriketrika izany. Nanabe sy nitaiza olona ny antoko, ary manana ny foto-keviny sy ny foto-pisainany. Tsy mora afindra amin’ny olon-kafa izany. Aleo handrotsaka kandidà amin’ny fifidianana misesy eo ny antoko.
Misy ny ahiahy ny amin’ ny Ceni: mahaleo tena sa tsia, na mitondra ny tenin’ny lehibeny? Na manan-tompony na manana lehibe… Misy ny ahiahy ny amin’izany. “Na izany aza, ny soatoavina repoblikanina no hitondrako azy: anentanana ny olona rehetra isan-tokantrano hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy, hanamarina ny anarana amin’izany” , hoy ihany izy. Manana adidy aman’andraikitra amin’ny tanindrazana ny olom-pirenena tsirairay.
R. Nd.