Atsimo Atsinanana : atrehina ny fiovaovan’ny toetr’andro

Notontosaina omaly tao Farafangana, notarihin’ny so­lontenan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), nahitana solontenan’ny prefektiora sy ny faritra, avy
amin’ny talem-paritra, sy ireo fikambanana maro sami­hafa.Toy ny tetikasa Giz Pra­da ihany, HIH, MBG, nisy hevitra avy amin’ny maro an’isa noraisina namosaka ny tolo-keviny.
Haharitra 48 volana ny tetikasa andiany faharoa, mi­tentina 7 tapitrisa dolara avy amin’ny GEF*, ary anisan’ny faritra dimy nahazo famatsiam-bola Atsimo Atsinanana. Vonona ireo mpiatrika rehetra satria zava-dehibe ny fampifandraisana ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny filazan’ny talem-paritry ny Medd Atsimo Atsinanana, Atoa Kofoky Amyot.
Anton’ny atrikasa ny fa­nomanana ny tetikasa andiany faharoa, satria mbola voafidy ny faritra Atsimo Atsi­nanana, ankoatra ny faritra hafa. Ny fototry ny hevitra andrasana fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny moron­tsiraka misy vinany sy ny ala atsinanana.
Nandray anjara, nahitana solontena avy amin’ny ministeran’ny Tontolo iainana, fizahantany, jono, fambolena, ireo nalain-kevitra amin’izany. Teo koa ny solontenan’ny mpanjono sy ny vondron’olona ifotony sy ny solontenan’ny ben’ny tanàna rehetra. Enga anie tsy ho atrikasa an-tsoratra fotsiny fa tena misy ny fampiharana izay hevitra tapaka.

Ndrina

GEF* : Global Environ­ment Facility

Partager sur: