Manomboka fantatra ireo olona rehetra voatondro ho ati-dohan’ilay fakana an-keriny tao Ambohimanarivo, Morarano chrome. Ankehitriny, nivoaka ny didy fampisamborana an’i Mamy Tiana Landry Jacques. Fantatry ny maro hoe Landry ny lehilahy, ary karohin’ny mpitandro filaminana fatratra. Voatondro ho isan’ireo jiolahy naka takalon’aina telo izy. Mbola voasaringotra amina raharaha fikambanan-jiolahy sy fanodikodinam-bola miampy fanararaotam-pahefana ny tenany. Toerana nahitana ity lehihlahy ity farany ny tao Anosiboribory, kaominina Morarano chrome. Araka izany, mampahafantatra ny besinimaro ny mpitandro filaminana mba hisambotra ity lehilahy ity. Na koa hampandre haingana ny “groupe d’appui de la police judiciaire” ao Alaotra Mangoro amin’ny laharana 034 83 446 80. Ankoatra azy, efa namoahana didy fikarohana nanomboka afakomaly koa i Mahaleojaona Fanomezantsoa, lehilahy voasaringotra amin’ity trangana fakana an-keriny ao Morarano chrome ity koa. Tsiahivina fa 11 isa ireo olona maty voatifitry ny mpitandro filaminana voarohirohy amin’ity fakana an-keriny ity. Ny sabotsy teo kosa no nandrenesam-baovao farany ny momba ireo takalon’aina telo.
Henintsoa H.