Fananganan-tsaina : nahazo rariny ireo mpampianatra

Nampahafantarin’ny mi­nisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle omaly, fa nahazo rariny teo anivon’ny Filan­kevi-panjakana ireo mpampianatra sy mpanabe. Rahara­ha mikasika ilay resaka fandavan’ny ankizy tsy hanangan-tsaina sy tsy hihira ny hiram-pirenena, tao amin’ny sekoly, tao Ala­kamisy Itenina.
Nolavin’ny fitsarana mahefa ny fangatahana fampiatoana ny sazy nahazo ireo mpianatra tsy nanaja ny fitsipika mifehy ny sekolim-panjakana, mahakasika ny fanajana ny hiram-pirenena, hoy hatrany ny minisitra.
Nisaotra ny fitsarana mahefa, araka izany, ny minisitra izay misolontena ny mpampianatra sy mpanabe. Fanomezan-kasina ny fanabeazana sy ny tanindrazana no handikan’ny mpanabe ny didy nivoaka.
Nanamarika ihany koa ny minisitra fa tsy mbola mety manao sonia ny karinem-pifandraisana ireo ray aman-dreny voakasika amin’izany. Mbola mihenjan-droa ny tady, araka izany.
Na mafy aza ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny sekoly dia tsy maintsy arahina izany mba hahatonga ho olom-banona.
Marihina fa efa misy ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana sady tsy miankina amin’ny finoana no tsy manangan-tsaina, tsy mihira hiram-pirenena, tsy manao ny karazana fety… fa manaraka kosa ny fandaharam-pianarana malagasy.

Tatiana A

Partager sur: