Fiarahamonina malagasy ankehitriny: nanjary « mora sanda » sy very hasina ny vehivavy

Nanaraka fatratra ny lamina voajanahary ny Malagasy. rehefa lahy, dia lahy. Rehefa vavy, dia vavy. Mifandraika amin’izany ny fizarana asa, andraikitra adidy, sns, eny anivon’ny fiarahamonina. Nirindra ny zava-drehetra satria nifameno ny tsirairay… Nitana ny toerana nametrahan’ny lamina voajanahary sy ny fiarahamonina izay ny vehivavy. Votsotra niandalana anefa izany…

Tsy marina ny filazana fa mpanao ankilabao ny vehivavy ny fiarahamonina malagasy. Lainga nafafin’ny mpanjanantany hoenti-mamotika ny kolon­tsaina malagasy sy ny rafi-piarahamonina nisy teto izy io. Fantatry ny Malagasy tsara fa loharanon-taranaka ny vehivavy. Noho izany, nomeny lanja sy hasina manokana raha mitaha amin’ny lehilahy. Ny vehivavy, kitapo nifonosana sy hiantsoroka ny fanabeazana ny taranany rehefa mby amin’ny fotoana maha reny azy. Lamina voajanahary narahin’ny fiarahamonina malagasy ny fametrahana ny vehivavy ho mpanabe azo antoka ho an’ny taranany.
Ny fananan’ny Mala­gasy io kolontsaina io no nahatonga azy nanana taranaka vanona, tia fahamarinana, natahotra an’Andriama­nitra, mandala ny rariny sy ny hitsiny, sns. Izay ilay vokatry ny fanabeazana nomen’ny vehivavy ny zanany. Ny fahalalana ireny rehetra ireny no antony nametrahana azy ireo eo anilan’ny zanany mandrakariva. Tsy fanambaniana na ho fanaovana tsinontsinona sy fanilikilihana ny vehivavy ny nametrahana ny vehivavy ao an-tokantrano fa hikendrena ny hananana taranaka vanona.

Lasa manompo vazaha…

Lasa any ananona, hono, Ranona ! Saika isanandro, maheno an’izany hatrany. Tsy vehivavy iray fa maro. Lasa any an-dafin’ny riaka, ha­nompo vazaha ny vehivavy malagasy sasany. Na nahitana io tranga io aza ny fiarahamonina fahiny, tsy noho ny sitrapon’ny vehivavy, fa noho izy babo sy nalaina an-keriny na namidy. Ny ankehitriny, mi­karoka lalana ambanin’ny tany mba hivoahana an’i Ma­dagasikara fa handeha hiasa any an-dafy, hono. Mivelona amina karama ambilombazana, arahina vono sy latsa… Nanjary « mora sanda » sy very hasina ny vehivavy malagasy.
Raha ny fanadihadiana nataon’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana, tao anatin’ny folo taona, nitombo fatratra ny asa fivarotan-tena amin’ny endriny an-karihary sy ny « mihaja », indrindra any amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara. « Na samy manome vola aza, aleonay miaraka amin’ny vazaha sy ny hafa firenena satria ireny manome be. Ny fiarovana ny tena tsy ho voan’ny aretina no atao tsara », hoy ny mpivarotena nanaovana fanadihadiana.
Mikorontana ny lamina ny voajanahary

… Satria efa miady ny hitovy zo amin’ny lehilahy ny vehivavy (araka ny fampirisihana hataon’ny vahiny). Mila miasa ivelan’ny tokantrano satria sarotra ny fiainana. Afaka manao asa mitovy amin’ny lehilahy satria mitovy ny diplaoma, sns. Vokatr’ ireny rehetra ireny, mikorontana tanteraka ny lamina voajanahary eo amin’ny Mala­ga­sy sy ny fiarahamonina misy azy. Manom­boka ma­nangana ny lehilahy ho « fa­havalo » ny vehivavy. Tsy fantatry ny vehivavy intsony ilay anjara toerany eo anivon’ny fiarahamonina… Raha sanatria ka izao no mitohy, tsy mijanona eo amin’ny fikorontanan’ny lamina voajanahary irery intsony ny fiarahamonina malagasy fa hifamototra tanteraka. Ny lehilahy no hitaiza zaza, ny vehivavy no hangata-bady, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: