Nanangana ivontoerana iray natokana ho an’ny tanora ao anatin’ny foiben’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, eny Andraharo, ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Ivontoerana ahafahany mamolavola tetikasa vaovao mifandraika amin’ny sahanasan’ny UNFPA eto Madagasikara sy ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy. « Misy fitaovana momba ny teknojia vaovao (TIC) ao anatiny ary azon’ny tanora ampiasaina rehefa avy nanaraka fiofanana izy ireo », hoy ny solontenan’ny UNFPA eto amintsika, Koffi Kouame. Entanina ireo tanora indrindra ny tovovavy 15 ka hatramin’ny 35 taona hisoratra anarana raha liana ka hitsidika ny tambazotran’ny UNFPA, hamantarana ny fepetra.
15%-n’ny mponina ihany no mikirakira « internet » eto amintsika ary olona 33 600 eo ho eo no manana famandrihana tsy tapaka. 30%-n’ny tanora no misafidy ny fampianarana teknika, siantifika nefa vitsy no afaka mampiroborobo ny fahaiza-manaony hivadika ho tetikasa hitondra fampandrosoana, noho ny tsy fahampian’ny ivontoerana hanatanterahana izany. Najoro ny ivontoerana vaovao hitondra vahaolana mifandraika amin’izany sy hanatsara ny fanabeazana nomerika. “Ilaina ny fametrahana ivontoerana tahaka izao ho an’ny zatovovavy ahafahany mivelatra amin’ny fianarana sy ny fiainana”, hoy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, nandritra ny fitokanana ny ivontoerana.
Vonjy A.