Nitondra ny heviny sy ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity.
“Ilaina ary heverina fa mbola tsy tara ny hirosoana amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana.” Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Fifidianana sy fitantanan-draharaham-panjakana ary ny fitsinjaram-pahefana tena izy: aiza ho aiza isika?”, novakin’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, teny Antanimena, omaly. Ho fanatanterahana izany, mba ho tena ny hevitry ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara no hivoaka, araka ny sosokevitry ny fikambanana hatramin’ny 4 avrily 2022: hatomboka avy eny amin’ny faritra ny fakan-kevitra; avy eo, haravona eto anivon’ny firenena alohan’ny handrosoana azy any amin’ny parlemanta.
Tokony havoakan’ny governemanta ny tetiandrom-pifidianana
Mitaky ny hamoahan’ny governemanta ny daty raikitra hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny KMF/Cnoe. Tsiahiviny fa tapitra amin’ny 9 janoary 2024 ny fe-potoam-piasan’ ny olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny 18 janoary 2024 izany. Eo anatrehan’izany, takiny ny hamoahan’ny Ceni vinavina tetiandron’ny fifidianana kaominaly. Tsy ekena ny fanalavana ny fotoam-piasan’ny olom-boafidy.
Ny fifidianana depiote sy ny loholona ary ny filohan’ny Repoblika no tsy azo ampiarahana, araka ny And. 51 amin’ny lalàna 2018-008. Midika izany fa tsy voararan’ny lalàna sady afaka mifanindran-dalana ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana kaominaly. Mampihena ny fandaniana sady misoroka ny fanitarana ny fe-potoam-piasan’ny olom-boafidy eny amin’ny kaominina izany.
Mafy loatra ny fivangongoam-pahefana
“Mafy loatra ny fivangogoam-pahefana amin’ny fanjakana foibe”, hoy ny fanambarana. Andraikitry ny fanjakana ny fiatreahana ny loza voajanahary, ka tsy tokony hampiasa na hikendrena tombontsoan’antoko na fitaovana politika na anokafana adihevitra hisintonana ny fon’ny vahoaka. Nanomboka tamin’ny Repoblika III, tsikaritra ny fampiasana lokon’antoko amin’ny fotodrafitrasa, fitaovana, fanomezana. Tokony ho loko telon’ny sainam-pirenena no hampiasaina, raha volam-bahoaka no nenti-nanana izany. Ny fitsinjaram-pahefana tena izy no miteraka fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena eny ifotony.
R. Nd.